TSELATRA

Naiditra eny amin’ny fonjamben’Antanimora ny tovolahy 22 taona, tratra nanodinkodina tovovavy tsy ampy taona tetsy Andoharanofotsy. Nanadala tovovavy 15 taona izy ka bevohokany. Nariany anefa rehefa te­raka. Tonga nitory teny anivon’ny borigady Andoharano­fotsy izy mianaka rehefa feno efa-bolana ilay zaza.
Lehilahy iray, 17 taona, tratran’ny Polisin’ny CSP4 Isotry nangalatra moto tao an-tokantranon’olona iray tetsy amin’ny fokontany Manarintsoa Centre, omaly maraina. Nahatsikaritra izany ny tompon-trano ka nisambotra ity farany avy hatrany. Nentina eny anivon’ny Polisy miady amin’ny heloka mamoafady sy miaro ny zaza ary ny olona marefo (PMPM) io tovolahy io hanaovana fanadihadiana.
Lehilahy iray nisoloky sy nisandoka andraikitra, notanana am-ponja vonjimaika eny Avaradrano. Nitononona ho jeneraly izy ary mahalala olona ambony marobe. Nahatratra 72 tapitrisa ariary ny vola nalainy tamin’izany. Tratra teny Tsarahonenana Alakamisy Am­bohimahasoa, Fianarantsoa, tao amin’ny trano fonenany izy ka nentina taty Antananarivo.

Partager sur: