Tratran’ny olona namaky trano iray tetsy Ambohimanala Andoharanofotsy ny lehilahy iray 50 taona, afakomaly tamin’ny 2 ora sasany maraina. Hitan’ny tompon-trano niditra antsokosoko tao an-tokantrano izy ary nifanenjehana. Tratra teny aminy ny fitaovana famakiany trano. Efa natolotra ny zandary eny Andoharanofotsy ity rangahy ity taorian’izay.
Jiolahy raindahiny iray lavon’ny balan’ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Mahabibo, afakomaly tolakandro, tao amin’ny fokontany Mahabibokely Mahajanga. Olon-dratsy malaza amin’ny asa fanendahana miharo herisetra izy io. Avy namaky fiara iray tany Tsaramandroso izy no nifampitadiavana ary nifanehitra tamin’ny Polisy.




