Notanterahina ny zoma teo, tetsy Anosy, ny fankalazana ny Andro Afrikanina iadiana amin’ny kolikoly JALCC. Anisan’ny nampahafantatra ny ezaka nataony tamin’izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana.
Nambaran’ny tale jeneralin’ny raharaham-pitsarana sy ny fandinihana ny fanavaozana ny lalàna, Rakotondrajery Salohy Norotiana, nisolo tena ny minisitry ny Fitsarana ny tenany tamin’ izany. Nisongadina ny ezaka nataon’ny minisitera amin’ny fanamafisana ny fitsirihana, fanenjehana sy fanasaziana ireo voarohirohy amin’ny kolikoly, fanentanana ny vahoaka sy fanofanana ireo mpisehatra, fanatsarana ny fahazoana miditra amin’ny fitsarana. Eo koa ny fanorenana fotodrafitrasa, fahaizamanaon’ny mpiasa sy ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana.
Etsy andaniny, nanteriny fa tsy olana ara-pitantanana fotsiny ny kolikoly. “Sakana mivantana amin’ny hasin’ny maha olona sy ny zon’ny olom-pirenena tsirairay, mampahantra sy manapotika ny soatoavina maha olona, ary manakana ny fanajana ireo zo fototra maha olona”, hoy izy. Notsiahiviny fa nandray anjara mavitrika tamin’ny ady amin’ny kolikoly i Madagasikara, tamin’ ny alalan’ny fananganana ny paikady nasionaly 2025–2030 sy ny fandraisana fanapahan-kevitra politika mazava. Anisan’izany ko any tetikasa hanatsarana ny fari-piainan’ny voafonja, iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka, ho fiarovana ny fahamendrehana sy zon’ny olombelona any am-ponja. Lohahevitra novoizina tamin’izao JALCC izao : “Hampiroborobo ny hasin’ny maha olona amin’ny ady amin’ny kolikoly».
Tsiahivina fa anisan’ny niatrika izany ny avy amin’ny Bianco sy ny CSI ary ny avy amin’ny fiarahamonim-pirenena.
Synèse R.




