TARATRY ny KANTO

Tafiditra ao anatin’ny fampiarahana ny fialamboly sy ny fanabeazana ary ny fivelaran’ny zavakanto sy talenta. Anio no hanomboka etsy amin’ny Alliance Française Antananarivo, Andavamamba ilay fampianarana zavakanto hiarahana amin’ny Plum’Art, Centre Académique de musique Ramahefason, Kaompania Miangaly ary i Lionel Rabeony. Ankizy eo amin’ny 3 taona ka hatramin’ny 7 taona eo ho eo no hanaraka ny fampianarana hosodoko, mozika, teatra ary dihy fanao an-tanàn-dehibe, mandritra ity fotoam-pialantsasatra lehibe ity.

Hanatanteraka fampisehoana an-tsehatra any amin’ny Nosy Maorisy i Zook Davids. Ao amin’ny Saint Jean, Port Louis, ny alahady 27 jolay, izao manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro no hanatnontosany ity seho maimaimpoana tsy misy vidim-pidirana ity. Ny sekoly alahady EPM Fahazavana no mikarakara. Marihina fa iray amin’ireo mpanakanto tian’ny ankizy i Zook Davids. Hira evanjelika sy fitaizana ary fanabeazana, miampy fitafy sy fihetsika mifanaraka amin’izany no hoentiny an-tsehatra.

Taona 2025, mbola mijanona hatreo amin’ny mitady ny very ny Malagasy ? Amin’ny lafiny rehetra, amin’ny sehatra rehetra… Tsy mbola hita ny very. Iray amin’ireny ny maha izy azy ny tsirairay. Malagasy, fatratra raha haka tahaka. Malagasy kinga raha hampitovy. Anisan’ny antony miteraka izany ny tsy fahampian’ny fahalalana momba ny tena (fiandohana, ny fomba, fady…). Rehefa tsy mahita ny maha izy ny tena, ka avy naka tahaka, dia manezaka sy miteny hatrany fa « tahaka izao ny vokatry ny fikarohana natao. Hitondra zava-baovao eo amin’ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy ».

Partager sur: