Tontosoa ny faran’ny herinandro teo, ny fifamindram-pitantana teo amin’ny talem-paritry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa vaovao ao Atsimo Atsinanana, Aina Perle Hortense, sy ny talem-paritra nisolo toerana, Vagnomisy. Tao amin’ny foiben-toeran’ny fitaleavam-paritry ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa Farafangana no nanaovana izany. Nanome voninahitra ny governoran’ny faritra Atsimo Atsinanana, Rajaobelina Gerard, ny lefitry ny distrika Farafangana, Haja Sebastien ary ny tale misahana ny DPL, Rakotomanga Jean Luc avy any amin’ny minisitera foibe. Tao anatiny firahalahiana tanteraka ny famindram-pitantanana na teo aza ny filazan’ireo sendika fa tsy manaiky izao fanendrena izao. Satria, tsy olona avy amin’ny sendika io voatendry io. Nilaza ny dingana vitany ny talem-paritra nisolo toerana, teo ny fikarakarana ny fanadinam-panjakana BEP sy CAP. Vonona hiasa ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka ary hihaona amin’ny mpiara-miasa ny tale vaovao. Hidina ifotony hitsidika ny ivotoeram-pampiofanana ao Ampagnarena izy. Nampiantso ny mpanao gazety ireo sendika mialoha ny famindram-pitantana fa ny onjam-peo tokana no tonga namaly ny fanasana.
Vonjy




