Kaominina Ambatofotsy, Belemoka, Maromiandra ary Ambinanitromby. Ireo indray no notetezina nanaovana fanentanana amin’ny ady amin’ ny tazomoka tao amin’ny distrikan’Ikongo, ny herinandro teo. Nanaovana ny hetsika ara-pahasalamana sy ara-tsosialy ihany koa.
Tokantrano miisa 300 mahery no nomena fehezan-karona misy sakafo tohan’aina tamin’ireo kaominina. Nizaraina CVO ireo marefo ara-pahasalamana hampiakatra ny hery fiarovana.
Anisan’ny kaominina mitoka-monina i Belemoka izay atao mandritra ny 3 andro raha miala avy eo amin’ny Renivohitry ny Distrikan’Ikongo. Tonga any an-toerana mihitsy ireo tomponandraikitra manentana amin’ny tokony hanatonana toeram-pitsaboana raha misy tranga mampiahiahy izay iarahana amin’ireo Ampanjaka. Mandray anjara feno ireo raiamandreny ara-drazana amin’ny fandresen-dahatra ny mponina mba tsy hanao dokotera tena fa hanatona tobim-pahasalamana haingana rehefa marisarisa.
Tao amin’ny kaominina Maromiandra sy Ambinanitromby, ankizy miisa 200 no nomena sakafo mafana. Mitohy ihany koa ny fanentanana isan-karazany atao ho fisorohana ny fihanaky ny aretina tazomona sy ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.
Mitety vohitra ireo Brigade mijery ny zava-misy sy manentana isan’andro. Mifanome tanana sy miray hina tanteraka ao anatin’izany ireo rantsa-mangaika sivily sy miaramila ary ireo mpiara-miombon’antoka isan’ambaratongany.
Tatiana A




