Nitohy tany Toamasina indray ireo mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny tany tan-dalana (HCDDED), ny faran’ny herinandro teo. Indroa miantoana ny famelabelarana nataon’ireo mpikambana notarihin’ny filohany, Ranadialison Angelo, ka teo ny natao tao amin’ny lapan’ny faritra Atsinanana. Nihaonan’ izy ireo amin’ny solontenam-panjakana sy olom-boafidy ary koa ireo eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena. Nanotrona izany ny Prefet, Benandrasana Cyrille. Ny dinika sy famelabelarana faharoa, nihaonana tamin’ireo mpianatry ny oniversite teny Barikadimy ka anisan’izany ireo mpianatra lalàna. Nampahafantarin’ireo mpikambana eo anivon’ny HCDDED tamin’izany ny momba ny sata mifehy sy ny asa sahanin’ity rafitra voalazan’ny Lalàmpanorenana ity. “Manara-maso ny fanajana ny politikan’ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy ny demokrasia izahay”, hoy izy ireo. Eo koa ny fanaraha-maso ny fanajana ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna ary koa ny fampiboroboana ny fiarovana ny zon’olombelona, araka ny nambaran’izy ireo hatrany. Anisan’ny nifantohan’ny dinika ireo teboka maromaro ireo, indrindra ny momba ny fandikana ny demokrasia sy ny fahalalahana maneho hevitra ary koa ny tany tan-dalàna. Nalalaka tamin’ny fanontaniana sy ny fifanakalozana ny rehetra ary samy nitondran’ireo mpikambana fanazavana hatrany izany.
Tsiahivina fa efa nanao hetsika tahaka izao tany Fianarantsoa sy tany Mahajanga tamin’ny faran’ny taona lasa ireto eo anivon’ny HCD DED ireto.
Synèse R.




