Sarimihetsika Nampoina : « Ny riaka no valapariako » ; Nahazo ny valim-pitiany i Mangamila sy Anjozorobe

Notanterahina tany Man­gamila sy Anjozorobe ny fandefasana ilay sarimihetsika Nampoina : «Ny riaka no valapariako» ny herinandro nivalona teo. «Tany Anjozorobe no nanatanterahina ny ankamaroan’ny fandraisana ny sary tamin’ity sarimihetsika ity. Na izany aza, nandray anjara ihany koa ny tao Mangamila sady lalana lalovana rahateo. Noho izany, nanana endrika valim-pitia sy fisaorana ny mponina sy izay rehetra nandray anjara tamin’izany no notanterahina tany amin’ireo tanàna roa ireo», hoy i Toly, mpanolotsaina tamin’ny famokarana ny sarimihetsika Nam­poina : «Ny riaka no valapa­riako».
Feno hipoka ireo efitrano nandefasana ny sarimihetsika, raha ny nambarany hatrany. Tsy nifidy sokajin-taona (zaza, ankizy, tanora, lehibe) fa tonga avokoa ny mponin’i Mangamila sy Anjozorobe, raha ny fanazavany ihany. «Nampihetsi-po ny fahenoina azy ireny mitanisa ny anaran’ireo olona hitany ao anatin’ny sarimihetsika Nampoina : « Ny riaka no valapariako ». Tsapa avy hatrany ilay firaisam-po
sy fiombonam-panahy. Liana tan­teraka amin’ny tantaram-pirenena ny olona tany amin’
ireo toerana roa ireo». No­hamafisiny fa «fampiraisam-pirenena rahateo no antony nanaovana sy nanatontosana ity sarimihetsika ity. Talo­han’ny fanjanahantany, An­drianampoinimerina na i Nam­poina no nampiray ny Ma­lagasy voalohany». Marihina fa fikarohana naharitra nataon’ny Pr. Raymond Ranjeva no nahafahana nanoratra ny tantara. I Haja Ranjeva Rabe­tafika kosa no talen’ny famokarana. Henri Randrianiere­nana, nanatontosa, Ranöe no nanao ny feo indrana.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: