MEETFP Atsimo Atsinanana : Tsy eken’ny sendika ny talem-paritra vaovao

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Sendikan’ny fampianarana teknika sy fanofanana arakasa (ST MEETFP), Atsimo Atsinanana, ny herinandro teo. Nahitsy izy ireo manoloana ny fanendrena tomponandraikitra eo anivon’ny minisi­tera.
Tsipahin’izy ireo ny fanendrena ny talem-paritra vaovao any Atsimo Atsinanana. “Takinay ny hanafoanana anatin’ny fotoana fohy ny fanendrena azy satria tsy mahafeno ny fepetra, araka ny tapaky ny kongresy rezionaly ny volana mey teo”, hoy izy ireo. Mbola notsiahivin’ity sendika ity ny masontsivana amin’ny fanendrena ny fitalevana ny MEETFP Atsimo Atsinanana. Anisan’izany ny fanomezan-danja ny fahaiza-manao sy ny traikefa amin’ny fitantanan-draharaha rehetra eo anivon’ny fitaleavam-paritra. “Mahalala sy manana vina hampandroso ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Manaja ny maha olona ary midina ifotony mamaha ny olan’ny mpanabe sy ny mpampiofana amin’ny sekoly miankina na tsia amin’ny fanjakana”, hoy izy ireo.
Manoloana izany, nanao antso avo amin’ny filohan’ny Repoblika sy ny praiminisitra izy ireo mba hijery izao olana any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana izao.

Fampidirana resaka politika
Takin’ity sendika ity koa ny hampitsaharana tsy misy hatakandro ny fampidirana resaka politika eo anivon’ny minisitera. Nohitsin’ny fanambarana fa mifanohitra amin’ny maha kitro ifaharan’ny fampandrosoana ny faritra sy ny firenena ny MEETFP. “Fanapotehana anefa no misy aty Atsimo Atsinanana tao anatin’ny roa taona. Ataon’olom-bitsy fitaovana politika ny fanendrena mba ahafahana manao tantely afa-drakotra”, hoy ihany ny fanambarana nosoniavin’ny mpandrindram-paritry ny sendika MEETFP Atsimo Atsinanana, Rafalimanana Celestin.
Tsiahivina fa efa vita ny herinandro teo ny famindram-pitantanana ny talem-paritra any an-toerana ka nandraisan’i Aina Perle Hortense izany toerana izany.

Synèse R.

Partager sur: