Nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Volamiranty Donna, omaly, fa feno ny fepetra ary ara-dalàna ny dingana rehetra hirosoana amin’ny famerenana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera. ”Amin’ny volana aogositra no hotanterahina izany. Efa misy ny fifandraisana amin’ireo fianakaviana ary miara-misalahy amin’ny fitondram-panjakana amin’ny pitsopitsony momba ny kolontsaina amin’ny fanantanterahana izany”, hoy izy.
Nambarany fa mifandray tsy tapaka amin’ny fitondram-panjakana malagasy koa ny fanjakana frantsay amin’ny firosoana izany. Mbola nohamafisin’ny ambasadaoro frantsay, Arnaud Guillois, teny Ivandry koa izany. Tsiahivina fa mpanjakan’i Madagasikara ny Ampanjaka Toera. Tena martiora izy ka fotoana iray hampisehoantsika ny mampitambatra ny Malagasy ny fotoana hiverenan’ny kabesony eto Madagasikara, araka ny nambarany. “Mendrika ny hanaovana lanonana ny fahatongavany satria manana ny hajany tokoa”, hoy izy.
Synèse R.




