TSELATRA

Lehilahy nitondra moto maty tsy tra-drano teny Antanimora, ny alin’ny alatsinainy 14 jolay teo. Vaofokan’ny fiara tampoka izy ka nandositra ny fiara. Nitsirara tamin’ny tany sady very ra be loatra ilay mpitondra moto ka namoy ny ainy.

Ben’ny Tanàna iray nandratra ny namany tamin’ny tavohangy, tao amin’ny kaominina Mahafasa, distrikan’i Farafangana, ny zoma 11 jolay teo. Niara-nisotrosotro tamin’ny namany io olom-boafidy io kinanjo nivadika ho tsy fitovian-kevitra izany. Niafara tamin’ny vely tavoahangy. Nosamborina ilay ben’ny Tanàna.

Nokorotanin’ny olon-dratsy ny razana tao am-pasana ka miisa 20 ny razana nentin’ireo tsy mataho-tody tao Ambohimasina, Betafo, distrikan’Arivonimamo. Mpan­dalo no nahatsikaritra ny varavaram-pasana nisokatra, afakomaly.

Omby halatra miisa 20 tafaverin’ny zandarimaria miasa ao amin’ny tobim-paritra Mampikony, ny 12 jolay teo. Nentin’ny olon-dratsy niala tao amin’ny fokontany Ambohimahavelona, kaominina Mampikony II. Nanara-dia ny mpitandro filaminana ka latsaka teny amin’ireo dahalo ny omby.

Partager sur: