Rakotomanana Richardson : « Manimba firenena ny adihevitra tafahoatra »

“Manimba firenena ny adihevitra tafahoatra”, hoy ny filohan’ny Fiombonan’ny firaisamonina sivily ho amin’ny fandrosoan’ny Malagasy na ny Coalition de la société civile pour le progrès des Malagasy (CSCPM), Rakotomanana Ri­chardson, teny Antanina­re­nina, omaly, manoloana ny tsy fiatoan’ny adihevitra mom­ba ny fanapoizinana amin’ny sakafo tato ho ato. Toetsika Malagasy ny fitiavana adihevitra. Ifandroritana ny trangan-javatra iray dia lasa miteraka savorovoro goavana be eo amin’ny fiarahamonina. Raha ny fanapoizinana amin’ny sakafo teny Ambohimalaza, lasa niitatra tany Mahajanga, Toamasina, Ambositra… Fa­nitaran-dresaka amin-javatra mety manakorontana ny fiarahamonina izany. Manimba toekarena izay satria fiveloman’ny olona. Raha roa na telo tapitrisa, ohatra, no mivarotra hani-masaka, lasa tsy mandeha avokoa ny tsenan’ny olona. Eo koa ny fanimbana fiainan’olona manokana.
Toy ny hoe mahafinaritra ny Malagasy ny mihaino radio an-dalambe. Ny tsahotsaho no heverina ho marina, fa ny radio ofisialy na ny vaovao marina indray no tsy inoana. Tokony hialana izany toe-tsaina izany: ny fitiavana adihevitra tafahoatra loatra. Iadin-kevitra avokoa ny zava-drehetra, dia mankany amin’ny tsy izy. Nefa ny adihevitra mahariva andro. Misy koa adihevitra tsy hihinanan-kanina. Adihevitra mahasoa no tokony hamenoana ny haino aman-jery eto amin’ny firenena. Raha adihevitra no hamanoana ny fiainam-pirenena iray manontolo, eto isika no horaisina : hiady an-trano eto no hiafarany. Fifanakalozan-kevitra no tokony hatao.

R. Nd.

Partager sur: