Nifamotoana tao an-dRenivohitry ny nosy Maorisy ireo tanora malagasy any an-toerana “Diaspora”, ny herinandro teo. Tafiditra amin’ilay hetsika andiany faharoa iarahana amin’ny MRS Association izany.
Nivoitra tamin’ny fihaonana ny fanehoana ny fitiavan-tanindrazana. Nahomby amin’ny ankapobeny ity hetsika “Motivational Speech” ity. Nahavory tanora maherin’ny 40 izany fihaonambe izany. Anisan’izany ireo mpianatra sy ireo tanora matihanina avy amin’ny sehatra samihafa. Tanjona ny fifampizarana sy fifanakalozana eo amin’ny samy tanora malagasy eo amin’ny haitarika sy ny traikefa ananan’ny tsirairay. Mazava rahateo ny foto-kevitra sy ny teny fanevan’ny MRS Association : “Motivation – Redevabilité- Succès”. Samy nitondra sy namelabelatra ny dingana nolalovany ireo tanora. Eo ny fidirana amin’ny sehatry ny asa, ny torolalana na koa ny fomba fiainana andavanandro eo amin’ny samy tanora. Nasongadina koa ny fanentanana sy ny fanamafisana ny fitiavan-tanindrazana ary nanentanana ireo tanora fa anisan’ny fanalahidin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny “Diaspora”.
Anjara biriky ho amin’ny fampandrosoana
Nanohana sy nanampy tamin’izao hetsika izao ny eo anivon’ny masoivohon’i Madagasikara atsy amin’ny Nosy Maorisy. Anisan’izany ny eo amin’ny serasera sy ny nampiasana ny efitranon’ny filankevitry ny tanàna any an-toerana. Vy nahitana izao hetsika izao ny filoha mpanorina, Michkaël Reilly Solofoniaina. Tanora anisan’ny mitondra anjara biriky ho amin’ny fampandrosoana sady “Diaspora” any Frantsa nefa koa mpisolovava aty Madagasikara. Efa nisahana andraikitra maro, toy ny teo anivon’ny CUA sy ny tao amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny sy teo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Mpandraharaha koa ny tenany. Nampahery ireo tanora ny amin’ny handraisan’izy ireo an-tanana ny ho aviny na eo aza ny sakana, i Michkaël Reilly Solofoniaina tamin’izany.
Synèse R.




