Centre Médical Claym : Mikarakara didimpoitra faobe

Hisy ny famorana faobe maimampoana karakarain’ny Centre médical Claym, ny 02 aogositra ho avy izao. Fiaraha-miasan’ity toeram-pitsaboana ity sy ny kaominina Alakamisy Fenoarivo izany. Hatao ao amin’ny Salle d’œuvre an’ny kaominina izany, izay iantsoan’izy ireo ny mponina manana zaza hatao didimpoitra. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra ao amin’ny Claym, mila misoratra anarana ao amin’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo na ao amin’ny biraon’ny Claym izay te hisitraka ity famorana faobe ity izay atao amin’ny fomba amerikanina. Hisy ny fitiliana ireo zaza mialoha ny hamorana azy herinandro alohan’io fotoana io izay atao ao amin’ny foiben’ny Calym eny Alakamisy Fenoarivo ihany, eo akaikin’ny biraon’ny kaominina.
Marihina fa nifindra eny Alakamisy Fenoarivo ny Centre médical Claym raha teny Ambavahaditokana Itaosy izy teo aloha. Araka ny nahafantarana azy hatramin’izay dia miompana bebe kokoa amin’ny fitsaboana ny homamiadana ny teoram-pitsaboana. Raisiny an-tanana avokoa na ireo marary efa tonga amin’ny fetra farany amin’ny homamiadana aza. Eo ihany koa ny fandraisana an-tanana ireo tratry ny fahatsentsenan’ny lalandra (AVC) sy ny karazana aretina maro samihafa. Misokatra isan’andro ho an’ny manana ny tsy salama, araka izany, ny Claym.

Andry F.

Partager sur: