Nomarihina tamin’ny alalan’ny famelabelaran-kevitra sy ny fampahafantarana ny tanora ny Saina voatran’olombelona (IA) ny Andro maneran-tany ho an’ny fahaiza-manaon’ny tanora eo amin’ny niomerika (JMJC). Nivoitra tamin’ izany fa ahazoana tombony izany raha voafehy.
Nambaran’ireo mpikarakara, ahitana ny Entreprendre Madagasikara, ny minisiteran’ny Asa, ny OIT, fa ahafahana mivoatra amin’ ny asa ny fahaiza-manao niomerika sy ny IA ary afaka hampiriboroana ny toekarena sy ny fandraharahana. “Anton’ izao hetsika izao ny fampahafantarana ny tanora izany na efa misy aza ny sasany efa mahafehy ny IA. Ilaina kosa anefa ny fanajana ny maha olona”, hoy izy ireo. Nanterin’ ireo mpikarakara ny hetsika koa fa tsy mahasolo ny olombelona ny IA. Natao hanampy nefa ilana fiahiana sy fanaraha-maso ny tanora ao anatin’ izany mba hampivelatra azy ny niomerika sy ny IA. Tsy tokony hiantehatra be fahatany amin’ izany fa ilaina fandrindrana, araka ny nambaran’izy ireo. “Natao hanamora ny fikarohana nefa koa tsy hiankindoha fa natao hitondra vokatsoa hampivoatra”, hoy ihany izy ireo.
Etsy andaniny, voatsiahy fa efa maro ireo ivon-toeram-panofanana misehatra amin’ ny nomerika sy ny IA. Eo koa ireo mampiana-tena ary mamorona asa manokana noho ny fitiavana karokaroka. “Efa maro ireo mahafehy izany amin’ny fianarana sy ny fitadiavana asa. Ezaka manaraka ny fanatevenana izany”, hoy izy ireo.
Anisan’ny ezaka natao ny famoronana orinasa madinika (PME) niainga amin’ny niomerika sy ny IA eo amin’ny fizahantany sy ny kolontsaina.
Eo koa ny tetikasa misehatra amin’ny fampitaovana nomerika, ary hatreny amin’ny tontolo ambanivohitra izany.
Niaiky ireo niady hevitra sy namelabelatra izany fa fotoana fanararaotra ho an’ny tanora ny hetsika tahaka izao ahafahana manampy azy ireo eo amin’ny sehatry ny asa.
Synèse R.




