Maison centrale Sainte Marie : Hahazo fiofanana arakasa ireo voafonja

Tontosa ny fiandohan’ny herinandro teo, tao Sainte Marie, ny hetsika “Fijery Hafa”. Iray amin’ireo tetikasa entin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny vahoaka izany. Eo koa ny ho fanoha­nana ny asa mendrika eny ifotony.
Nitarika ny lanonana ny minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline. Maro be ny mpo­nina tonga naneho fahavononana sy fandraisana anjara mavitrika fa hanatsara ny fivelomany sy hanorina hoavy mamiratra amin’ny alalan’ny fiofanana.
Nandritra ny fivahinianany tao amin’ny Nosy Sainte Marie ihany, nanatanteraka fitsidi­hana manokana ireo sampandraharaha eo ambany fiahian’ ny minisitera ny tenany. Na­tombony tamin’ny fitsidihana ny ivontoeram-panofanana ao Sainte Marie ny dia, izay toerana manome fiofanana ho an’ny tanora amin’ny sehatra arakasa samihafa. Nifampire­saka tamin’ireo tomponandraikitra izy ary nijery akaiky ny fotodrafitrasa sy ny filana eo an-toerana.
Taorian’izay, nitsidika ny Maison Centrale de Sainte-Marie ihany koa izy izay eo ambany fiahian’ny fitaleavam-paritry ny fitantanana ny fonja.
Tanjona ny fijerena ifotony ny zava-misy eo anivon’ny fonja sy ny fandraisana an­drai­kitra amin’ny fanomezana fahafahana hiofana arakasa ho an’ireo voafonja ho fanarenana sy fanomanana ny fiainan’izy ireo aorian’ny sazy.

Vonjy

Partager sur: