Tsindrilentam-pahefana : Manana anjara amin’ny fampandehanana ny demokrasia ny mpanohitra

Saika mahabe resaka sy adihevitra mandrakariva ny hoe fanoherana. Nefa tsy azo ialana; eny, na tsy sata raikitra aza. Manana anjara toerana amin’ny fampandehanana ny demokrasia ny mpanohitra. Famakafakana…

Eo amin’ny politika, ma­nondro ireo hery rehetra mitsipaka ny fahefana misy ny mpanohitra. Na ao anatiny na ivelan’ny parlemanta izany. Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fampandehanana ny demokrasia amin’ny alalan’ny fanomezana fahefana mifanipaka na tsindrilentam-pahefana amin’ny fitondram-panjakana misy izy. Amin’iza­ny, eo ny fitsikerana ny fanapahan-kevitry ny governemanta. Eo koa ny fanoloran-kevitra hanoloana an’izay fanapahan-kevitra izay. Andiana hetsika manohitra ny fanapahan-kevitr’izay eo amin’ny fitondrana ny mpanohitra. Na andiana hetsika sy antoko manohitra ny hery politika mitantana ny fanjakana. Eo amin’ny rafitra solontena izay miaraka amin’ny parlemanta nofidin’ny olom-pirenena, antokon’antoko tsy an’isan’ ny parlemantera maro anisa na ny fiaraha-mitantana ny mpanohitra.
Raha fehezina, ny mpanohitra: “Voalohany, ny antoko na ireo antoko izay manohitra ny ekipa eo amin’ny fitondrana amin’ny alalan’ny fanatanterahana asa fanaraha-maso sy fa­nakianana, amin’ny fampahafantarana ny vahoaka, na amin’ ny fanomanana ekipam-panjakana hafa mihitsy aza. Faha­roa, antoko politika na vondrona miady amin’ny fandrobana fahefana am-pilaminana”. (1) Ny fampandehanana araka ny tokony ho izy ny fitondrana demokratika no anjara toeran’ny mpanohitra. Tom­banana amin’ny fahafahan’ny olom-pirenena manapa-kevitra ny hoaviny ara-politika izany. Eo ny fisiana sy ny fanekena ny mpanohitra ao anatin’ny andrimpanjakana dia mikendry ny fisoloana tena ny vondrona sosialy manontolo, fa tsy ireo olom-pirenena manaiky ny maro anisa eo amin’ ny fitondrana ihany. Mita­na koa fahefana mifanandrify amin’ny fanerena ny maro anisa hilefitra izy, ary manolotra safidy ara-politika.
Ny anjara toeran’ny mpanohitra amin’ny demokrasia

Afa-maneho hevitra ao anatin’ny rafitra ara-politika ny mpanohitra. Amin’ny fampidirana ireo andrimpanjakana misy azy, na mametraka ny tenany hanohitra ny rafitra amin’ny alalan’ny ady ivelan’ny toerana misy ny fahefana. Amin’izay tranga izay, iray amin’ireo fepetra amin’ny fampandehanana ara-demokratika ny fitondrana ny fa­nanganana hery mpanohitra iray na maromaro sy ny fahalalahana maneho hevitra ao anatin’ny andrimpanjakana. Amin’izany, manana andraikitra maromaro ny mpanohitra. Eo, ohatra, ny andraikitry ny solontenan’ny olom-pirenena izay tsy mifanaraka amin’ny politikan’ny governemanta ary arovan’ny parlemanta maro anisa. Mamela azy ireo hitondra ny feon’ny vondron’olona sosialy manontolo ny fisian’ny solontenan’ny mpanohitra. Anisan’iza­ny ny vitsy anisa.

????????????????????????????????????

Miady ho amin’ny fitadiavana marimaritra iraisana ny mpanohitra

Amin’ny firenena efa lasa lavitra amin’ny demokrasia, fiasan’ny fahefana manohitra amin’ny alalan’ny fandatsaham-bato ny fanoherana ny volavolan-dalàna sasany sy ny fanolorana tolo-dalàna ho azy manokana. Manery ny maro anisa ao amin’ny parlemantera hanomboka ny fifampiresahana ny fisian’ny mpanohitra ara-politika. Hanao marimaritra iraisana izany, ary handao ny toerany aza. Mety hitarika ho amin’ ny fifandonana ao amin’ny Antenimiera ny fanoherana mahery vaika.
Asan’ny mpanohitra koa ny asa fanolorana ara-politika amin’ny alalan’ny fampiroboroboana tetikasa tsy mitovy amin’ny an’ny maro anisa eo anivon’ny parlemanta ary miaro izany ampahibemaso. Fepetra tena ilaina amin’ny fahamaroan’ny politika ny fisian’ny sehatra ara-politika maro sy ny fahafahan’ny olom-pirenena maneho ny tiany eo amin’izy ireo. Iray amin’ireo fototry ny demokrasia izay.

Tsy sata raikitra ny fanoherana

Na izany aza, ambaran’ny mpandinika sasany fa tsy sata raikitra ny hoe fanoherana. Mikendry ny hamerana ny fahazoana maro anisa mihetsika ireo olom-boafidy izay ao anatin’izany. Tsy inona fa ezaka mba hakana ny toerany amin’ny fifidianana ho avy. Ao amin’ny rafitra parlemantera, manondro ny vondrona parlemantera na vondrona tsy manohana ny governemanta ny mpanohitra. Any amin’ny firenena sasany, manana ny toerany manokana ny parlemantera mpanohitra. Ao amin’ireo firenena ireo, ny antoko mpanohitra lehibe indrindra dia mandrafitra ny “mpanohitra ofisialy”, ary ny lehiben’ny mpanohitra no mpitarika azy.

Hoy izy ireo :

“Ny fandaniana ny androm-piainany amin’ny fanoherana ho an’ny mpanao politika dia toy ny poety manamelo-tena hamaky sy hitsara ny tononkiran’ny hafa”. (Georges Pompidou)
“Ny manohitra dia tsy inona fa ny manolo-kevitra. Ny fanoherana tsy misy tolo-kevitra dia hetsiky ny toe-tsaina amam-panahy fotsiny”. (Robert Sabatier)
“Ny fahavalo marina dia tsara no ho ny namana tsy marina”. (Robert Sabatier)
“Rehefa tsy liana amin’ny politika ny vahoaka dia tsy lavitra ny didy jadona”. (Alexis de Tocqueville)
“Tsy ny fampanginana ny olana no atao amin’ny fanaovana politika, fa ny fampanginana izay mametraka izany”. (Henri Queuille)
“Diso araka ny lalàna ianao satria vitsy anisa amin’ny politika”. (Andre Laignel)
“Ao amin’ny demokrasia, ny politika dia fahaizana manafoana ny tsy fahafaham-po”. (Louis Latzarus)
“Tsy ny latsa-bato no zava-dehibe, fa ny fomba fan’isana ny vato”. (Staline)
“Amin’ny politika, tsy sakana velively ny hadalana”. (Napoleon Bonaparte)
“Ny adidy no mamorona lalàna fa tsy ny lalàna no mamorona adidy”. (François-René de Chateaubriand)
“Tsy mandreraka afa-tsy izay tsy manana azy ny fahefana.” (Giulio Andreotti)

 

Partager sur: