Fandraisana ny Sadc: Nanolotra fiara raitra miisa 16 i chine

Mizotra araka ny tokony ho izy ny fanomanana ny fivoriambe iraisam-pirenena, Sadc, hatao eto Antananarivo. Na eo amin’ny lafiny fotodrafitrasa izany na koa ny fametrahana ny toeran’i Madagasikara aty Afrika.

Natolotra omaly, teny amin’ ny Lapam-panjakana Iavoloha, ireo fiara vaovao miisa 16, marika Hongqi H9, avy amin’ny Repoblika en­tim-bahoaka an’i chine. Fiara raitra sy mihaja, hitondrana ireo filoham-panjakana na lehibena go­vernemanta an’ireo firenena mi­isa 16, handray anjara amin’ny Fihaonana an-tampony ny mpikambana ao anatin’ny Tsenam-paritra aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (Sadc), andiany faha-45 ireo natolotra ireo. Ny 16 sy 17 aogositra, eto Antana­na­rivo, no hanatanterahana izany. Fanomezana maimaimpoana avy amin’i Chine ireo fiara ireo, manamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny tany roa tonta.
Notsipihin’ny filoha Rajoelina Andry, nandritra ny fo­toana teny Iavoloha, omaly, fa voninahitra lehibe ho an’i Ma­dagasikara ny fandraisana ny fi­haonana an-tampony ny Sadc. Vonona ny fikarakarana, hanehoana ny fahaiza-manao. Mampamiratra an’i Madagasi­kara eo amin’ny sehatra ara-diplaomatika sady hiteraka vo­katsoa ara-toekarena maro.
Nilaza ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rafaravavitafika Rasata, fa efa am-perinasa ny Foibe fibaikoana mpandrindra (CCO) mikarakara ny fihaonambe. Ahitana vaomiera 14, misahana ny lafiny arofenitra, ny fitandroana ny filaminana, ny fotodrafitrasa, ny fiantranoana, sns.

Ho filohan’ny Troïka
Mifanandrify amin’ny laharam-pahamehan’i Madagasikara ny lohahevitra hivorian’ny Sadc. Ny sehatry ny fanovana ara-tsakafo, ny fampiasana ny angovo azo havaozina, ny fampiroboroboana ny indostria ary ny fahaiza-mitantana.
Marihina fa handray ny fitarihana sy ny fitantanana ny Sadc i Madagasikara, amin’ny alalan’ny filoha Rajoelina Andry, manomboka amin’ity fihaonambe faha-45 ity. Izy ihany koa no lasa ho filohan’ny Troïka, sampana fara-tampon’ny Sadc, mandinika sy manapa-kevitra amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana sy ny filaminana ao anatin’ny faritra Sadc. Ny filohan’i Zimbabwe, Emmerson Dambudzo Mnangagwa, no mitantana ny Troïka amin’izao fotoana.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: