Naneho ny heviny, manoloana ireo tranga tato ho ato ny birao politikan’ny antoko Malagasy miara-miainga (MM M). Mitaky ny mangarahara izy ireo ary miantso ny rehetra hijoro sy hanana fahasahiana. Anisan’ny nambarany tamin’izany fa sambany eo amin’ny tantara ka hoe misy singa tsy fantatra manoloana ireny fanapoizinana na fahapoizinana nahafaty olona maherin’ny 20 ireny. “Tsy fantatra ny fepetra tokony horaisin’ny vahoaka sy ny mpitsabo raha tsy ambara amin’izy ireo ny antony mahatonga ilay fahafatesana. Teo koa ireo namoy ny ainy tany amin’ny faritra hafa, saingy tsy nanaovana fitsirihana na ny fitadiavana ny tena anton’ny zava-niseho”, hoy ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Nohitsiny fa ratra mipetraka eo amin’ny fiarahamonina ary hampitombo ny hantsana efa lehibe manasaraka ny mpitondra sy vahoaka raha avela amin’izao, tsy misy vidiny, ny ain’ireo maty sy ny fijalian’ireo mana-manjo. “Ataovy matihanina sy mangarahara ny fanadihadiana mba hampisy vidiny ny ain’ireo Malagasy maty. Ataovy tena manara-penitra ny hopitaly ary raiso ny fepetra ho an’ireo tsy mahavita ny asany”, hoy ihany izy. Notakiny koa ny hampangarahara sy araka ny lalàna ireo tompon’antoka amin’io raharaha io. Tony ny Malagasy raha manao ny asany araka ny lalàna sy ny hitsiny ny eo anivon’ny mpanao fanadihadiana, ny fitsarana, ny fitsaboana, ny herinaratra sy ny rano, araka ny nambarany.
Manoloana ny zava-misy rehetra eto amin’ny firenena, niantso ny FFKM sy ny fiarahamonina sivily hijoro sy ho sahy ary ho any amin’ny fanovana tena izy ny MMM.
Synèse R.




