Anisan’ireo nanatrika ny lanonana fanolorana ny fiara miisa 16 avy amin’ny fitondram-panjakana sinoa, omaly, teny Iavoloha, ny loholona Rakotondrazafy Lalatiana. Nitondra fanazavana momba izany fanomezana izany ny tenany ka nilaza fa maimaimpoana izany. “Tsy misy tambiny ary tsy natao trosa mihitsy sao hamendrofendro indray ireo mpanita-dresaka matihanina”, hoy izy. Nanteriny fa antony nahatonga ny fitondram-panjakana sinoa nanome izany fiara izany ny fanohanany ny fikarakarana ny fandraisantsika ny fivoriana antampon’ny Sadc amin’ny volana aogositra izao. “Ny any ivelany aza resy lahatra amin’ny fanohanana izany hetsika iraisam-pirenena goavana horaisintsika izany, ka isika hanateran-kira indray no hilaza tsy hahay handihy? Aoka isika hikatsaka ny voninahi-pirenena”, hoy ihany izy.
Synèse R.




