Rainjaza-Dadanaivo: Fianakaviana 150 isan-taona miantso azy hamora zaza

Raha efa mahazo vahana ny fora zaza mampiasa fomba vahiny, tsy vitsy koa ny fianakaviana miantso an’i Dadanaivo, rainjaza, izay mbola manao izany amin’ny fomba nentim-paharazana nefa koa mampiasa fitaovana maoderina.

35 taona nanaovana fora zaza amin’ny fomba nentim-pa­ha­razana i Dadanaivo. Moni­na ao amin’ny fokontany Ambo­hijato­vo, kaominina ambanivohitra Fe­noarivo (distrika Atsi­mondra­no) izy ary nandimby ny raibeny sy ny rainy tamin’ny fanatanterahana izany isaky ny vanim-potoana ririnina toy izao. Eto Antananarivo sy ny manodidina ny ankamaroan’ny fianakaviana miantso azy. Raha mbola mi­tazona ny kolontsaina malagasy amin’ny fakana akondro sy fary ny fianakaviana, efa niova kosa ny fitaovana ampiasain’i Dadanaivo. “Bistouri” vi­diana eny amin’ny farmasia no ampiasaina ka zaza iray, bistou­ri iray ary ariana avy hatrany ny fitaovana isaky ny avy hamorana. Ampiana akora fanadiovana rano koa ny rano kirakiraina rehetra mandritra ny fora zaza isorohana ny otrikaretina. Taorian’ny fiofanana nampanaovin’ny BHM, ny taona 2002, no nandraisany ireo fe­petra ireo hitandrovana ny fa­hadiovana. Tsy mampiasa “anesthesie” i Dadanaivo rehefa mamora zaza nefa vetivety ihany no mitomany ilay zaza. Manome fanafody namboariny manokana izy ahosotra amin’ny fery mandritra ny telo andro manaraka. Herinandro eo dia maina tanteraka izany.
Tao anatin’ny 35 taona na­morana, indimy no nisy fahaverezan-dra niseho teo amin’ilay zaza vita fora rehefa tonga tany an-trano noho ny antony samihafa. Niverina teny anivon’ny tokantranon’ilay ankizy nandraraka fanafody izy rehefa mahare izay tranga izay.
Tranga tokana nisy fahasarotana no nilany fanampiana tamin’ny dokotera nandritra ny fotoam-piasany. “Zaza vao teraka fito andro no zandriny indrindra ary tovolahy 19 taona ny zokiny indrindra noforainy. Tsy misy karama voafaritra mialoha fa hasin-tanana no omen’ny fianakaviana sady tsy azo atao ny miady varotra vola”, hoy ny nambarany, araka ny fanabeazana azony. Mahavita mamora zaza 150 isa izy isan-taona manampy ny vola miditra amin’ny asa fambolena sy fiompiana tena antom-pivelomany mandavantaona.

Vonjy

Partager sur: