Nandritra ny herintaona ny fikarohana nataon’ny Pacific Disaster Center-PDC Global sy ny BNGRC mahakasika ny fiomanana amin’ny fiatrehana ny loza sy ny tandindon-doza eto Madagasikara. Napahafantarina ny talata teo ny vokatr’izany fikarohana izany.
“Amin’ny alalan’ny fanombanana ifotony no hiaraha-miasa hametrahana fomba fiasa mifototra amin’ny fisorohana mba hanatsarana ny fiomanana amin’ny fiatrehana ny loza voajanahary ho fiarovana ny Malagasy rehetra”, hoy ny masoivoho amerikanina, Claire Pierrangelo.
Nisongadina tao anatin’ny voka-pikarohana ireo karazana loza voajanahary atrehin’i Madagasikara sy ireo karazana tranga mety hamparefo. Nahafahana namaritra ireo fomba fiomanana amin’ny fiatrehana ny loza voajanahary ihany koa ny fikarohana natao.
Hitondra tolo-kevitra amin’ ny fampihenana ny tandindon-doza sy ny fomba fiarovana amin’ny loza mahomby kokoa ity voka-pikarohana ity. Hamafisina ireo rafitra misahana ny fiatrehana ny loza voajanahary eto Madagasikara ary hatsaraina ny fampitandremana mialoha amin’ny fisian’ny loza manambana, ny fandrindrana ary ny fametrahana vondrom-piarahamonina matanjaka lavitry ny loza.
Novatsian’ny governemanta amerikanina vola, tamin’ny alalan’ny Africom, ny tetikasa fikarohana izay manamafy hatrany ny tanjona iombonan’i Etazonia sy i Madagasikara.
Tatiana A




