“Mandeha be ny resaka fa misy kolikoly eo anivon’ny fitantanana ny tanàna. Tale no miresaka an’izany. Roa volana lasa izay, misy olom-boafidy hoe tratra ambodiomby manao kolikoly. Tsy misy fanadihadiana momba an’izany”. Fanehoan-kevitry ny mpanolotsaina monisipaly eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), Ravololomanana Lalatiana, teny Analakely, omaly, ny amin’ny fitantanana ny CUA amin’izao fotoana izao. Nefa rehefa halalinina ny amin’izay fisiana kolikoly izay dia hoe efa milamina. Tamin’ny fitantanana teo aloha, nitarika vaomiera iray amin’ny ady amin’ny kolikoly ity mpanolotsaina monisipaly ity. Nefa nofoanana izay vaomiera izay amin’izao. Misy ahiahy amin’ny fisiana kolikoly ataon’ny olom-boafidy sy olom-boatendry amin’ny fitantanana ny CUA amin’izao fotoana izao. Nanao “vitalisation”, ohatra, ny ben’ny Tanàna teo aloha tamin’ny fandaminana ny tsena. Niditra tamin’ny ara-dalàna ny mpivarotra an’alina teto Antananarivo. Nampirina izany nefa nandaniam-bola, fotoana, herimpo… Tsy fantatra izay niafarany.
Rehefa mirotsa-kofidina ny ben’ny Tanàna, manana fandaharanasa mazava tsara. Mandimby toerana iray fiaviana politika aminy izy, ary olona nahavita be tamin’ny fanatsarana ny fitantanana ny tanàna, indrindra amin’ny ady amin’ny kolikoly. Raha fandaharanasa fanohizana sy fanamafisana orina ary fanatsarana an’izany paikady enti-manao bebe kokoa hanatevenana ny dingana efa vita no atao. Raha manana fandaharanasa hafa izy, tokony hazava izay.
R. Nd.




