Nesorina amin’ny toerany ny tale misahana ireo orinasa lehibe eo anivon’ny fitaleavan’ny hetra, Razanadrakoto Irma. Anisan’ny nivoitra tamin’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly, izany. Tsy fantatra na misy ifandraisany na tsia amin’ny momba ilay TVA, zana-bola 20%, izao fanapahan-kevitra izao.
Nokianin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Volamiranty Donna, ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Nambarany fa zary lasa fananan’olon-tokana ny Tim. Fialonana ny filoha Rajoelina Andry lasa filohan’ny Sadc avokoa izany, araka ny nambarany. “Tsy mba nahazo izany ny filoha teo aloha”, hoy izy.
Nampiofana ireo olom-boafidy Tim sy ny mpitarika eny anivon’ny distrika ny mpanorina ny antoko, Ravalomanana Marc, omaly, tetsy Bel Air. Anisan’ny niatrika izany koa ireo sampan’ity antoko ity, toy ny tanora sy ny vehivavy. Nanteriny fa mila manome ohatra tsara ny mpitondra manoloana ny fihanaky ny kolikoly eto amin’ny firenena.
Hampahafantatra ny fijoroan’ny fikambanana tarihiny, Observatoire mijery mahitsy, ny mpanorina, Ravololomanana Lalatiana, anio, etsy Analakely. Hitondrany fanazavana amin’ny mpanao gazety amin’izany ny fahitany ny toe-draharaham-pirenena. Fa eo koa ny fahitany ny fitantanana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.




