Fijoroan’ny Obseravatoire Mahitsy fijery : “Hijoro ary ho saro-piaro amin’Antananarivo izahay”

Nampahafantatra ny fijoroan’ny fiarahamonim-pirenena, Obesrvatoire Mahitsy fijery, tetsy Analakely, ireo mpikambana ao aminy, notarihin’ny filoham-boninahitra, Ravo­lolomanana Lalatiana. Nam­baran’izy ireo fa tsy antoko politika ny fikambanana. Fia­ra­hamonim-pirenena handray ireo fitarainan’ny mponin’­ Antananarivo ary mbola hihaona amin’ny minisitra mpiahy, Andriantsitohaina Naina, sy ny ben’ny Tanànan’­ Antananarivo, Ramanantsoa Harilala, amin’ny hijerena ny hampandrosoana miaraka ny Renivohitra.
“Ho arofanina izahay. Hita fa miverin-dalana ny fampandrosoana nimatimatesan’ny ben’ny Tanàna teo aloha, Andriantsitohaina Naina”, hoy izy ireo. Tsy mbola tanteraka ny famerenana hasina ny mponina sy Antananarivo Renivohitra, araka ny nambaran’izy ireo hatrany. Maha­tsiaro ho manana adidy sy andraikitra ny Observatoire Mahitsy fijery ka nijoro ary nanangana fikambanana. Tanjona ny hijoro ahafahana manohy ny ezaka efa natomboky ny ben’ny Tanàna teo aloha amin’ny fitantanana ny CUA, raha ny nambaran’izy ireo hatrany. “Malahelo izahay fa tsy hita ny fitohizan’ny raharaham-panjakana. Toa nofoanana aza ny ezaka efa nataon’ny teo aloha”, hoy izy ireo.
Nanterin’ireto mpanara-maso ny fitantanana ny CUA ireto koa fa ilaina ny fanabeazana ny mponina mba ho olom-pirenena tsy ho tompony mihinana am-bolony. Ka andraikitra ny fifampizarana ny tokony hatao ary horaisina ny fitarainan’ny mponina. Anisan’izany ny fanorenana tsy ara-dalàna…
Notsindrin’izy ireo fa tokony ho saro-piaro amin’ity tanàna ity ny rehetra ary fotoana izao hamerenan-kasina ny tanàna sy ny mponina ao aminy, araka ny nambaran’ny Observatoire Mahitsy fijery.

Synèse R.

Partager sur: