FANTINA sy FINTINA

Tsy nitsitsy fitenenana ny depiote Gascar Fenosoa manoloana ny “Raharaha Ambohimalaza”. Aoka hajanona ny resaka politika: mpanohitra sy mpitondra fa iray ihany isika Malagasy, araka ny nambarany. “Iray ihany ny fahavalo: ity faty olona ity ka tadiavina ny fomba iadiana amin’izany. Inona ny fepetra sy vahaolana fa ho ripaka eto isika”, hoy izy.
Nanao taratasy misokatra ho an’ny Dr Volo­loniaina Manuella eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny avy amin’ny HVM, Rakotovao Rivo, raha nilaza fa tsy mahalala ilay singa nahafaty olona io mpitsabo io. “Tadiavo ny marina fa mijaly ireo havantsika. Tsongoy fon-tena, tsongoy fon’olona ramatoa mpitsabo, fa samy olombelona isika”, hoy izy.
Naneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena ny ben’ny Tanàna Imerintsiatosika, Parisoa Andriambolanarivo. Nohitsiny fa tsy miaraka amin’ny mpanohitra nefa koa tsy manara-drenirano ny fitondrana ny tenany. “Hanao ny tratry ny heriko aho mba hahatonga saina ny Malagasy fa tsy araka ny tokony ho izy ny zavatra iainantsika ankehitriny”, hoy izy.
Miantso ny vahoaka ao Marokarima, anio, Randriamananjara Marco, mba hihaona aminy sy ny depiote, Haja. Hanazava ny toe-draharaha ny tenany amin’izany. Tsiahivina fa efa nitantana ny kaominina amam-bolana ny tenany rehefa nahazo ny 64% tamin’ny fifidianana saingy nesorin’ny filankevi-panjakana ny 11 jolay teo, araka ny didy nivoaka.

Partager sur: