Mpiasan’ny fahasalaman’ny saina: Niofana momba ny « Psychoéducation familiale » (Bref)

Tontosa nandritra ny roa andro, teny amin’ny Centre Arrupe Madagascar Faravohitra, ny fampiofanana iraisam-pirenena nokarakarain’ny fikambanana Psy-kôzy Madagascar (Commission scientifique). Hetsika niarahana niasa tamin’ny “Centre Hospitalier Le Vinatier sy ny Centre de ressources en réhabilitation psychosociale any Lyon” momba ny “psychoéducation familiale na Bref”.

Fandraisana an-tanana tsy ara-medikaly mipaka amin’ny fianakavian’ny olona miaina fikorontanan-tsaina mitarazoka ny Bref. Anisan’ ny tanjona lehibe faharoan’ny fikambanana ny hanatsara ny tolotra fandraisana an-tanana ireo olona tratran’ny fikorontanan-tsaina eto Madagasikara izay mitodika bebe kokoa any amin’ny fanarenana ara-tsosialy. Tafiditra ao anatin’izany ity te­tikasa fampiofanana ireo mi­asa eo anivon’ny fahasalaman’ny saina manerana an’i Ma­da­gasikara ity.
Voaporofo ara-tsiantifika ny vokatr’ity drafitra ity, izay ampin­ga iray hoenti-miatrika ny vesatra ara-tsain’ny fianakaviana ary koa hanampy amin’ny fahasalaman’ny sain’ilay olona tratran’ny fikorontanana. Mame­tra­ka ny maha zava-dehibe ny fikarakarana ny tena ho tony aloha sy manena ny rarintsaina ka hanana hery hikarakara ilay olona tsaboina.
Eo ihany koa ny fandikana ilay drafitra mifanaraka amin’ny kolontsaina sy ny zava-misy eto Madagasikara mba hahitana vokany izay niarahana tamin’ireo ekipan’ny Centre Hospi­ta­lier Le Vinatier sy ny Centre de ressources en réhabilitation psychosociale izay namorina ity drafitra “Bref” ity ka efa ampiasaina maneran-tany.
Anisany nanampy ireo mpiasan’ny fahasalaman’ny saina ity fampiofanana ity hahafahana mahita fa tsy ampy ny ara-medikaly raha ny fitsabona ara-tsaina no resahina. Mbola hitohy amin’ny fampiofanana momba ny lohahevitra hafa indray ny tetikasa ao anatin’izay tanjona lehibe faharoa izay.

Vonjy

Partager sur: