Tanora sy toetr’andro: Mampiantrano fihaonambe i Madagasikara

Tanterahina eto Madaga­si­kara, etsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina, ny 18-20 jolay, ny Fihaonamben’ny ta­nora avy aty amin’ny ranomasimbe Indianina momba ny toetr’andro, « Ioccy». Nanoka­tra izany tamin’ ny fomba ofisaly, omaly, teny an-toerana, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Moustapha Marson Abdulah.
Nisongadina nandritra ny lahatenin’ity minisitry ny Tano­ra sy ny fanatanjahantena ity fa manan-danja tanteraka ny hetsika izay tontosain’ny tanora izao, izay mampiseho finiavana amin’ny hananganana ny hoavy maharitra. « Ianareo tanora avy amin’ny Ranoma­sim­be Indianina, manan-danja aminay ny fahatongavanareo anio. Maneho fahatsiarovan-tena lalina, fandraisana andraikitra ary finiavana ha­nangana hoavy maharitra ho an’ny taranaka mifandimby ny fahatongavanareo eto”, hoy ny minisitra.
Amin’ity taona ity, ny lohahevitra: “Ampandreneso ny feonao, ovay ny tontolo”. Ankoatra izay, tsara ny mampahafantatra fa manana hetsika lehibe iray horaisana eto an-tanindrazana ihany koa i Ma­dagasikara. Anisan’izany ny fivoriamben’ny tanora “Youth Connekt Summit Africa”, ny volana novambra ho avy izao.

F.R

Partager sur: