INDRAY MIJERY

Notanterahina tao Mahamasina, omaly, ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny mponina, izay notarihin’ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie. Omeo ny tanora ny fomba entiny hanorenany ny fiainam-pianakaviany, ao anatin’ny tontolo marina sy feno fanantenana. Izany no lohahevitra novoizina. Hetsika maro no nentina nanamarihana izany.

Nahazo dabilio 126 ny EPP 5 sy CEG iray ao amin’ny Cisco Ambatolapy, kaominina Antakasina. Hiatre­hana ny taom-pianarana vaovao ireo hanampy ny efa misy, hahafahana mandray mpianatra. Nisitraka izany ny EPP sy CEG Antakasina, Ampiadinombalahy, Ampo­taka, Ampisoronana ary Bivy.

Ao anatin’ny vanim-potoan’ny fialantsasatra ny mpianatra. Na izany aza tsy tokony ho variana ny ray aman-dreny fa fotoana hijerena ny fahasalaman’ny ativava ihany koa izao ho an’ny ankizy. Amboarina ny nify dieny tsy mianatra izy ireo hahafahany miatrika am-pilaminana ny taom-pianarana vaovao.

Partager sur: