Fitaterana: Hiasa amin’ny fivorian’ ny Sadc ny teleferika

Tsy ho ela. Nambaran’ny sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana, Andriamanohisoa Gerard, nandritra ny fivahinianany tao amin’ny fahitalavi-panjakana (TVM) fa efa eo am-pamaranana ny andrana ara-teknika ny fitaterana an-tariby, teleferika, mampitohy an’i Soarano sy Ivandry. “Ho tapitra amin’ny faran’ny volana jolay ho avy izao ny andrana ara-teknika. Hampiasaina amin’ny fomba ofisialy amin’ny fandraisana ny fivoriamben’ny Sadc manomboka ny 3 hatramin’ny 11 aogositra izao ny teleferika”, hoy izy. Notsiahiviny fa efa tapaka araka ny fanapahan-kevitry ny minisitra tamin’ny 7 mey lasa teo izany. Anisan’ny lafiny manan-danja ao amin’ny tetikasa ny resaka famatsiana herinaratra. Tsy miankina amin’ny tambajotra nasionaly tantanin’ny Jirama ny rafitra, fa toby angovo azo avy amin’ny masoandro eny amin’ny farihin’i Iarivo no manome herinaratra, araka ny nambarany.

Synèse R.

Partager sur: