Nanamafy ny fahaiza-manaony ireo talem-paritra sy delege miisa 21 eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, ho an’ny faritra Diana sy i Sava. Nijery ny fizotran’ny fampiofanana ireo mpiasan’ny minisitera ny minisitra Mara Volamiranty Donna. Nambarany fa tanjona ny fanatsarana ny fomba fiasan’ireo tomponandraikitra hampiroboroboana ny maha olona. Niompana amin’ny lafiny fikirakirana vaovao sy haitarika, asa fanaovan-gazety sy fampitam-baovao, fifehezana ny tambajotra sosialy ary ny fampivoarana ny maha olona ny fampiofanana. Nambaran’ny minisitra fa tafiditra ao anatin’ny andry telon’ny fampandrosoana tarihin’ny filohan’ny Repoblika ho amin’ny fampiroboroboana ny maha olona sy ny fanjakana tsara tantana izao hetsika izao. Tsiahivina fa hisitraka fiofanana tahaka izao avokoa ireo fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny kolontsaina manerana ny Nosy.
Synèse R.




