Ambohimanambola: fikambanan-jiolahy mitam-piadiana ravan’ny zandary

Ravan’ny zandary ny tambajotran-jiolahy iray. Olona fito voasambotra, ahitana vehivavy iray. Tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana eny Ambohimangakely sy ny manodidina izy ireo.

Tohivakana ny fisamborana azy ireo nanomboka ny 18 janoary 2023 hatramin’ny asabotsy teo, araka ny fanazavan’ny zandary. Heloka anenjehana ity andian-jiolahy ity ny fikambanan-jiolahy mitam-piadiana, mpamaky trano, mpidoroka sy mpitazona zava-mahadomelina ary mpivarotra rongony. Nahazo loharanom-baovao ny zandary momba ny toerana fieren’izy ireo ka nahamora ny fisamborana. Efa nanatanterahaka asa ratsiny tamin’ny toerana maro izy fito mianadahy toy ny tao Alasora, Ambohimangakely Mandikanamana, Amorona­koana, Ikianja, Ankadiefajoro, Ambaniala, Antsobolo, Am­batomaro.
Tao Ambohipeno ambany, fokontany Ambohipeno, kaominina ambanivohitr’Ambo­hi­manambola no voasambotry ny zandary ry zareo. Teo am­pikonokononana ny hanao fanafihana no nifanehatra ta­min’ny zandary. Nieren-doza ny fianakaviana iray. Voaso­roka mialoha ny teti-dratsy. Voasambotra niaraka tamin’izy ireo, ny lehilahy iray mpamatsy rongony. Lehilahy mo­nina ao amin’ny fokontany Ambovokely, Ambohimanga­kely. Mangataka ny fiaraha-miasa amin’ireo tsara sitrapo hatrany ny zandary mba hahafahana misoroka mialoha ny asa ratsin’ny jiolahy. Niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny famotorana nataon’ny zandary. Nilaza koa fa mbola miriaria any ny mpiray tsikombakomba amin’izy ireo. Hatolotra ny fampanoavana izy ireo aorian’ny famotorana.

Jean Claude

Partager sur: