Hiatrika ny fanadinana Bakalorea manomboka androany ireo mpiadina miisa 222 330 manerana ny Nosy. Raha ny tatitra navoakan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, eto Antananarivo avokoa ny 81 315 amin’izy ireo. Mpiadina miankina amin’ny sekoly ny 207 090 ary mpiadina mahaleo tena kosa ny 15 240. Nitombo ny isan’ny mpiadina raha oharina ny tamin’ny taon-dasa (218 395). Ho an’ny Bakalorea teknika kosa dia miisa 11 055 ireo mpiadina manerana ny Nosy.
Hentitra ny fanjakana amin’ny fitandroana ny filaminana mandritra ny fanadinana ary nandray ny fepetra rehetra tsy hisian’ny lesoka.
Nanomboka tany amin’ny fanontana ny laza adina izany, mandra-pahavita ny fanadinana. Ireo fiara rehetra hitondra ny laza adina amin’ireo fari-piadidiam-pampianarana dia hisy camera fanaraha-maso avokoa. Toraka izany ireo foibem-panadinana rehetra.
Tsy misalasala mandray ny fepetra amin’ireo manao hosoka sy mijirika laza adina any anaty tambajotra sosialy ihany koa ny minisitera tompon’andraikitra.
Haharitra 4 andro ny fanadinana bakalorea ary miparitaka amin’ireo toeram-panadinana ny mpitandro filaminana manara-maso sy miandraikitra ny filaminan’ny toerana.
Tatiana A




