Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Itaosy, teny Andranonahoatra, omaly, ny jiolahy mpamaky trano iray. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, nifanenjehan’ny olona teny amin’ny faritra Andranonahoatra iny ity jiolahy ity fa tratra nangalatra tao amin’ny tokantrano iray. Naheno izany ireo polisy nanao fisafoana teny amin’ny manodidina an’Andranonahoatra ka nanenjika avy hatrany. Fantatra fa namaky trano ity jiolahy ity rehefa nandeha nivavaka tany am-piangonana ny tompon-trano. Nanararaotra izany ity olon-dratsy ity ka niditra tao antokontany ary tafiditra tao an-trano. Efa an-dalana nody anefa ny tompon-trano tamin’io fotoana io, nahatsikaritra olona mikorontana tao antokontany izy ireo ka niantso ny olona teo amin’ny manodidina. Vao naheno ireo olona nirodorodo ity jiolahy ity dia lasa nitsoaka avy hatrany. Raikitra teo ny fifanenjehana. Efa lasany avokoa ny kojakojan-dakozia, saingy najanony izany raha vao nahita ireo olona marobe nanenjika izy. Nosamborin’ny polisy izy ka noentina nihazo ny kaomisaria hanaovana fanadihadiana.
Jean Claude