Nampitandrina ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa tsy hitsitsy amin’ireo mandika lalàna manoloana ny fiatrehana ny fanadinana bakalorea. Efa natao famotorana ilay voalaza fa mpitandro filaminana nilaza ho mivarotra laza adina.
Nandritra ny fanokafana ny fanadinana Bakalorea, omaly, nanao fizarana teo amin’ny pejiny ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa ny polisim-pirenena tokony hanampy amin’ny fiarovana ny laza adina indray no mivarotra izany amin’ny sarany 60 000 Ar. Laza adina nosokafana nanaraka ny ora fanokafana azy tamin’ny 7 ora sy sasany maraina amin’ny fanombohana ny fanadinana no nalainy sary. Aparitany haingana amin’ny tambajotra sosialy hilazany fa nahita laza adina mialoha izy ahafahany misoloky amin’ny laza adina manaraka. Tsy mivoaka ary tsy hivoaka raha tsy amin’ny ora voatondro hamoahana azy ny laza adina isaky ny taranja. Efa tratra ilay mpisoloky ary efa natao famotorana. Tsy hitsitsy ny tomponandrakitra ary nanambara fa iharan’ny sazy henjana avokoa na iza na iza mandika lalàna.
Momba ny laza adina filozofia natrehin’ny mpiadina, ny tapany maraina, samy nanana ny heviny ny mpiadina arakaraka ny sokajiny avy. Maro ireo niteny fa mora, raha antonony kosa ho an’ny hafa.
Vonjy/Sajo
10 taona ny mpiadina zandriny indrindra ao Toamasina
33 867 ny isan’ny mpiadina ho an’ny faritanin’i Toamasina, amin’ny Bakalorea 2025: Alaotra ahitana ny ao Mangoro, Atsinanana, Analanjirofo, Ambatosoa. Nisy fiakarany 243 raha oharina ny tamin’ny taon-dasa ny isan’ny mpiadina. 31 314 ny mpiadina natolotry ny sekoly raha 2 053 kosa ny mahaleo tena. 32 204 ny mpiadina avy amin’ny fampianarana ankapobeny, raha 1 663 ho an’ny fampianarana teknika sy fampiofanana arakasa. 59 taona ny zokiny indrindra raha 10 taona kosa ny zandriny indrindra. Samy amin’ny sokajy A2 ary samy miadina ao Toamasina avokoa izy ireo. Hentitra ny filohan’ny Oniversite amin’ny mety hisian’ny fanaovana hosoka. Tsy ekena ny fitondrana finday sy zavatra hafa mety hanaovana hosoka sy fakan-tahaka. Omaly maraina tao amin’ny Lycée Jacques Rabemanjara ny fotoam-panokafana ny fanadinana. “Tombanana ho iray volana aorian’ ny fanombohan’ny fanadinana no hivoaka ny valim-panadinana”, hoy ny filohan’ny Oniversiten’i Toamasina, Dr Razanakolona Diny.




