INDRAY MIJERY

 Nanatanteraka fandidiana maimaimpoana ho an’ny mponina tao Port-Berger ireo dokotera miisa
4 misehatra amin’izany. Nampita ny traikefany amin’ny fanaovana asa sosialy ny loholona ao Mahajanga,
Pr Tiandraza Dinaraly Odilon, mba hanala ny fahasahiranan’ny mpiara-belona.
 Nanao hetsika vao maraina ny mpianatry ny Oniversiten’i Maninday Toliara mba hamahana ny olan’ ny vatsim-pianarana sy ny fanamboarana ny R+1. Noravan’ny mpitandro filaminana tamin’ny alalan’ny baomba Lacrymogène anefa izany. Nanamafy ireo mpianatra fa tsy hijanona ny tolona raha tsy voavaha ireo fangatahana ireo.
 Nanentana ny mpiasan’ny fahasalamana ny ao amin’ny Akademia nasionalin’ny fitsaboana eto Madagasikara mahakasika ny fitsipi-pitondran-tena, sy ny fifehezan-tena ary ny etika amin’ny fitenenana ampahibemaso. Nanantitrantitra ny andraikitra iombonana ihany koa izy ireo manoloana  ny loza nitranga tetsy Ambohimalaza.
Partager sur: