Lehilahy mpangarom-paosy sady mpanao sinto-mahery voasambotry ny polisy teny Anosy, ny alatsinainy 21 jolay teo. Nifanenjehana io olon-dratsy avy nanao ny asa ratsiny io. Tratra izy ka nosavaina. Finday halatra miisa efatra sarona teny aminy. Nentina natao famotorana teny anivon’ny kaomisarian’ny polisy ity farany.
Taksiborosy mampitohy an’i Mahajanga sy Antananarivo, tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, teo Mahatsinjo, ny alin’ny alatsinainy hifoha ny talata 22 jolay teo. Nentina namonjy toeram-pitsaboana aty Antananarivo ny mpandeha iray voa mafy raha toa ka nalefa ao Andriba ny roa hafa naratra. Tsy nisy aina nafoy.
Voasambotry ny zandary ny lehilahy iray niafina tao ambadiky ny fanariam-pako, tao amin’ny kaominina Mahitsy, ny alin’ny 20 jolay teo. Miandry mpandalo hendahina io olon-dratsy io. Nahatrarana antsy niampy vy teny aminy.
Notrobaran’ny olon-dratsy antsy ny lehilahy iray, sady voaroba, tao Amparatanàna, Fenoarivo Atsinanana, ny zoma 18 jolay teo. Voatery nesorina ny voa an’io lehilahy naratra io.




