Andro maneran-tany hiadiana amin’ny aretina hépatite B ny 28 jolay izao. Ho fanamarihana izany, hanao fitiliana maimaimpoana izany aretina izany ny Centre médical Claym eny Alakamisy Feroarivo, amin’io andro io. Anentanan’ny tomponandraikitra ao aminy ireo olona te hisitraka izany fitiliana izany. Notsindriany manokana fa mila fitiliana ireo olona ahitana ireto fambara ireto : mahatsapa havizanana be, mafana hoditra na manavy, marary an-doha, marary ny vanin-taolana, tsy mazoto homana, maloiloy na mandoa, mivalana na mitohana, marary be ny kibo eo amin’ny faritry ny vavony sy ny aty, lasa mavomavo ny hoditra sy ny maso… Ankoatra izay, raha mifanerasera olona voan’ny hépatite B, mitsindrona zava-mahadomelina dia tokony hanao fitiliana ihany koa. Tsy ireo ihany fa nambaran’ity tomponandraikitra ao amin’ny Centre médical Claym ity fa na tsy tafiditra ao anatin’ireo aza dia afaka manatona eny an-toerana hanao fitiliana. Voafetra ihany ny isan’ny olona horaisina amin’io fotoana io ka izay vonona na mila fanazavana fanampiny dia afaka miantso na misoratra anarana mandefa SMS amin’ny laharana 0382437595 na 0376713766. Apetraka ao ny anarana feno sy ny laharan’ny finday mba hanamorana ny fandraisana an-tanana. Ho fanampiana ny mpiara-belona ny anton’ny anaovan’ity toeram-pitsaboana ity izao hetsika izao. Teny filamatr’izy ireo rahateo ny hoe: « Aleo misoroka toy izay mitsabo ».
Andry F.




