Tena mampitaraina ny maro ny toetra ratsin’ireo mpiasan’ny fahasalamana, ny dokotera hatramin’ny mpamafa trano. Handraisana fepetra hentitra ireo hahazoana fitarainana manomboka izao.
Hentitra ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Andriamanantany Zely, nanao fanambarana maika omaly, mahakasika ny fitsipi-pitondran-tenan’ireo mpiasan’ny fahasalamana, dokotera, mpitsabo mpanampy, rasazy, infirmiera, mpiasa birao.
Mandoto ny mpiasa ao amin’ny fianakaviamben’ny mpiasan’ny fahasalamana manontolo ny fihetsika tsy mendrika ataon’ny sasany.
Handraisana fepetra haingana ireo minia tsy manaraka ny hitsin’ny fitondran-tena amin’ireo marary na mpikarakara marary. Ny minisitra mihitsy no handray ny fepetra raha eny anivon’ny foiben’ny minisitera no hitrangan’izany fihetsika mamohehitra izany. Manome baiko ny any amin’ny faritra ihany koa ny minisitra tsy hisalasala handray andraikitra raha misy tranga toy izany, manoloana ny fandraisana marary sy ny fikarakarana eny amin’ny tobim-pahasalamana, hopitaly…
Tokony hanana ftsipi-pitondran-tena mendrika izany mpiasan’ny fahasalamana izany.
Mitaraina
Marobe ny fitarainana miainga eny amin’ny CSB hatreny amin’ny hopitaly lehibe amin’ny hafitsok’ireo tsy mahatandrin-tena. Tena manao toetra tsy zakan’ny marary na ny mpiandry marary izy ireny. Noporofoin’ny mana-manjo teny amin’ny HJRA farany teo izany.
Tokony hahatsapa ny zavatra iainan’ny olona ny mpiasan’ny fahasalamana ary tokony hahay hipetraka eo amin’ny toeran’ilay olona tsaboina. Tokony halemy fanahy manoloana ny olona marary mila fikarakarana izy ireo satria olona mitady vonjy no tonga any.
Misy ireo mpiasan’ny fahasalamana manivaiva ny fahasahiranan’ny olona izay tena tsy azo ekena. Na mafy aza ny asa, tsy natao hikitakita sy handrahona na hasiaka amin’ ny marary sy ny mpiandry marary ny dokotera na infirmiera na rasazy.
Miandrandra fiovam-pihetsika amin’ireo mpiasan’ny fahasalamana manomboka izao ireo mila raharaha eny anivon’ny toeram-pitsaboana.
Tatiana A




