Notanterahina tao Andrainjato, tamin’ity herinandro ity, ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Inscae sy ny Oniversiten’i Fianarantsoa. Votoatin’izany ny hitondrana fanavaozana amin’ny fampandrosoana, izay manome fiofanana manokana eo amin’ny sehatry ny fitantanana sy ny fikirakirana kaontim-bola. Fiaraha-miasa amin’ny sehatry ny fikarohana sy fampianarana ihany koa, ankoatra ny fananganana tetikasa iombonana enti-mampandroso ny oniversite sy ny firenena.
Nahavita fiofanana momba ny informatika ny tanora 23. Niarahana tamin’ny Orange Digital Center Madagascar ao anatin’ny Innovation Room izany. “Fisantarana ihany izao fa mbola hitohy miaraka amin’ny tanora hafa. Mbola hisy koa ny fiofanana ho an’ny tanora momba ny sehatra maro hafa hanohanana azy ireo hivelatra sy ho lasa lavitra amin’ny tanjona tiany ho tratrarina”, hoy ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA).
Efa mitobaka eny an-tsena amin’izao fotoana izao ny fitaovam-pianarana hiomanan’ny ray aman-dreny sahady amin’ny taom-pianarana manaraka. Misy tranombarotra manamora ny fividianana ny fitaovana ka omena azy fotsiny ny lisitra dia ireo mpiasa ao aminy no manangona izay ilaina rehetra. Ny sekoly sasany koa nametraka fepetra fa any an-dakilasy ihany no vidiana ny fitaovam-pianarana hanampiana ny ray aman-dreny.




