Latsakemboky ny Fram eny amin’ny EPP: 20 000 Ar isaky ny mpianatra, 60 000 Ar isaky ny ray aman-dreny

Efa mitady vola hanefana ny latsakemboky ny Fram sahady ny ray aman-dreny eny amin’ny EPP amin’izao fotoana izao. Aloa mandritra ny fanoratana anarana ho an’ny taom-pianarana vaovao ny sora-bola.

Hiverina handray ny asany ireo mpandraharaha eny anivon’ny sekolim-panjakana ny 25 ao­gositra ho avy izao hanomana ny fidirana amin’ny taom-pianarana vaovao 2025-2026. Araka ny fandaminana, mialoha ny fikatonan’ny taom-pianarana no mivory ny Feffi, ahitana ny fikambanan’ny ray aman-dreny sy ny tomponandraikitra samihafa manapaka ny sora-bola amin’ny latsakemboka Fram ho an’ny taom-pianarana manaraka. Samy manana ny lamina ny EPP tsirairay fa manodidina ny 20 000 Ar isaky ny mpianatra, hatramin’ny 60 000 Ar isaky ny ray aman-dreny, no takina amin’ny ray aman-dreny isan-taona. Hanaramana ny mpampianatra Fram tsy mbola misitraka fanampiana ara-bola avy amin’ny fanjakana sy ny mpiandry ny sekoly no ampiasana io vola io. Rehefa manoratra anarana any an-tsekoly no manefa izany ny ray aman-dreny ka tsy voatery aloa indray miaraka fa azo zaraina roa, mialoha ny fotoana hidirana. Ireo fianakaviana manana zanaka maromaro dia afaka mangataka fe-potoana lavalava hanefana ny sora-bola.
“Tsy tokony hampiditra mpampianatra karamain’ny ray aman-dreny intsony ny EPP”, hoy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena satria efa raisina tsikelikely ho mpiasam-panjakana ireo efa Fram niasa an-taonany maro. “Tsy afa-manoatra izahay fa in­draindray tsy mandefa solon’ireo mpampianatra lasa nisotro ronono ny minisitera ka sahirana ny EPP. Voatery mampiditra olona vaovao amin’ny karama zakan’ny ray aman-dreny. Manodidina ny 300 000  Ar isam-bolana isaky ny mpampianatra Fram ny karama omena azy ireo mandavantaona tsy tapaka mihitsy na ao anatin’ny vanim-potoana fialantsasatra aza”, hoy ny talen’ny EPP iray.
Tsy nisondrotra tao anatin’ny telo taona ny sora-bola alaina amin’ny ray aman-dreny ho fitsinjovana ny fahasahiranana.

Vonjy

Partager sur: