fiahiana sosialy : Entanina ny tantsaha

Roa andro ny fampahafantarana momba ny tombontsoa amin’ny fiahiana sosialy ho an’ireo kaoperativa ivondronan’ny tantsaha ao amin’ny distrikan’i Fandriana sy Manandriana. Hetsika iarahana amin’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampanana asa.
Azo antoka ny fisotroan-dronono ho an’ireo tantsaha rehefa miditra anatin’ny rafitra fiahiana sosialy izy ireo. Eo koa ny fandraisana an-tanana rehefa misy tsy salama.
Entanina, araka izany, ny tantsaha sy ireo mpandraharaha madinika na salantsalany miantsehatra eny ifotony mba hiditra amin’izany ho fitsinjovana ny vodiandromerika, hahafahana miahy ny hoavy, indrindra any amin’ny fahanterana.
90% ny mpiasa mampihodina ny toekarena eto Madagasikara dia ao anatin’ny sehatra tsy manara-drafitra avokoa. Ho fitsinjovana azy ireo indrindra no nametrahan’ny fanjakana rafitra ara-dalàna amin’ny fiahiana sosialy. Voakasik’izany ireo mpanao asa tanana, mpanjono, mpamboly, mpiompy, mpivarotra….
Teo aloha, ny mpiasa eny amin’ny orinasa ihany no misitraka fiahiana sosialy ka lasa ankilabao ny hafa.

Tatiana A

Partager sur: