Manan-danja ny fampianarana. Antoky ny fampandrosoana ny firenena. Antony nisafidianana manokana ny Anjerimanontolo Ankatso ho toerana hanatanterahana ny fikaonandoha atrehin’ny daholobe, ny 14 aogositra ho avy izao. Tafiditra ao anatin’ny fihaonana an-tampony faha-45 ny vondrona Sadc. Tombony ho an’ny oniversite ny fandraisana izany, ahafahana mametraka ny lanjan’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ho fanoitra amin’ny fampandrosoana. Efa ao anaty fikarakarana ny toerana handrasaina ity hetsika ity ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa amin’izao fotoana izao.
Nanolotra fanomezana ho an’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny UNFPA, tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Coin jeunes”. Ahitana milina fanjairana, solosaina ary fitaovana teknika maro hafa ireo fanomezana, hanohanana ny tanora fa indrindra ny vehivavy amin’ny fidirana ao anatin’ny sehatry ny asa sy ho firosoana amin’ny fandraharahana. 65 % ny mponina eto Madagasikara no tanora latsaky ny 25 taona ka zava-dehibe ny fanohanana azy ireo ho amin’ny fivelomana maharitra sy andraikitra ara-tsosialy.
Nijoro niaraka tamin’i Christine Jaulmes mpisolo tena maharitry ny Unicef eto Madagasikara sy ireo manam-pahefana ao amin’ny faritra Anosy, i Mirado, amin’ny maha « ambassadeur national » azy. Nandritra ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fampirantiana an-tsary momba ny maha zava-dehibe ny fanaovam-baksiny ao an-toerana, tamin’ity herinandro ity, no nahitana izany. Mampahatsiahy izy fa manan-jo ho salama ny zaza tsirairay ary andraikitra iraisana ny fanomezana fahafahana mitovy ny ankizy amin’ny fisitrahana vaksiny.




