Niharan’ny fanolanana: Tovovavy nirahin-drainy hividy rongony

Niharan’ny fanolanana nataona mpivarotra rongony ny tovovavy iray 16 taona, zanaky ny raim-pianakaviana iray nirahiny hividy rongony, tao amin’ny fokontany Tanambao Verrerie Toamasina, ny fiandohan’ny volana jona teo.

Efa tsy nety nandeha ity tovovavy niharam-boina ity saingy noteren’io rainy io, noho izy te hifoka zava-mahadomelina. Tsy vitan’izay fa mbola tratran’ny fandra­honana ihany koa izy ka tsy maintsy nandeha noho ny tahotra. Tonga tao amin’ny toerana fividianana rongony tokoa, araka izany, ilay tovo­vavy. Rehefa azony anefa ilay zava-mahadomelina, naka­ton’ilay mpivaro-drongony ny varavararana tokony hivoa­hany sady norahonany. Vokany, nanamparan’ilay jiolahy ny filan-dratsiny tao ilay tovovavy. Tsy afa-nanohitra rahateo izy noho ny tahotra. Ranomaso no nentin’ilay tovovavy na­monjy fodiana niaraka tamin’ ny rongonin-drainy. Niezaka nitantara ny zava-nanjo azy tamin-drainy izy nony tonga tao an-trano. Nilaza ity rainy fa hoe hifampiresaka amin’ilay jiolahy mpivarotra rongony. Narary mafy sady nivoaka fofona maimbo ilay niharam-boina andro vitsivitsy taorian’ ny zava-niseho taminy. Nanon­tany azy ny renikeliny ka ni­voaka teo ny marina rehetra. Nentina namonjy hopitaly izy natao fitiliana. Voaporofo fa simba tanteraka ny taovany noho ny fanolanana nahazo azy. Nametraka fitoriana teny amin’ny polisy misahana ny fikarohana heloka bevava io reniny io. Voasambotra ilay mpanolana taorian’izay. No­samborina ihany koa ilay rainy nampaniraka azy hividy rongony. Taorian’ny famotorana nataon’ny polisy, natolotra ny fampanoavana ka naiditra am-ponja ao Ambalatavoahangy izy roa lahy.

Sajo

Partager sur: