Oniversite Ankatso : Hamafisina ny fitan­droana ny filaminana

Natao tao amin’ny efitrano « R+Rose » Ankatso ny adihevitra sy dinidinika momba ny fametrahana fandriampahale­mana maharitra eny amin’ny faritry ny Oniversite Ankatso. Nitarika ny fivoriana ny talen’ny kabinetra eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa, Voahirana Raboanarijaona, ny tale jeneralin’ny Centre régional des œuvres universitaire d’Antananarivo, Mamisoa Aina. Teo koa ny lehiben’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa, ny Commissaire de police Ravelotahina Mika Olivier ary ny solontenan’ireo mpianatra eo anivon’ny Oniversite Ankatso. Tapaka nandritra izany fa ho hamafisina ny fiaraha-miasa amin’ ny alalan’ny fisafoana eny amin’ny tranon’ny mpianatra, eo koa ny fanatsarana ny fitaovana fiarovana. Teo koa ny fanentanana ny mpianatra mba ho sahy hitoroka ny mpanao ratsy eny amin’ny faritry ny Anjerimanontolo sy ny trano fonenan’ny mpianatra.

J.C

Partager sur: