Andian-jatovo mpanao herisetra : Enin-dahy indray voasambotra tao Toamasina

Miverina indray raha so­mary nilamindamina teo ho eo ny tambajotran’ireo andian-jatovo mpanao herisetra sy mpidoroka zava-mahadomelina ao Toamasina. Ankoatra ny tsy fandriampahalemana efa mampikaikaika, manao ny ataony koa ireto andian-jatovo manao asan-jiolahy ireto. Ma­noloana izany, nihorohoro indray ny mponina ao amin’ny fokontanin’Ambalamanasy sy Andranomadio 11/43 sy ny ma­nodidina amin’ny afitsoky ry zalahy ireto. Mitonona ho « foroches » sy « bandes de 15 » izy ireo. Efa teo am-pikasana hamono hahafaty ankizy telo mihitsy izy ireo ny talata tolakandro teo. Nanao izay ho afany ny polisy sy ny zandary ka nifampizara faritra mba hahafahana mifehy io fokon­tany io nanomboka ny talata alina. Nahitam-bokany izany omaly vao maraina, nisy ireo voasambotra raha nitohy ha­tramin’ny tolakandro izany. Nahatratra enina, araka izany, ireto jiolahy voasambotra ireto. Matetika, lasa olana amin’ny mpitandro filaminana manao ny asany mampandry fahalemana ny ataon’ireo ray aman-drenin’ireto andian-jatovo mpanao herisetra ireto. tandindomin-doza ny mponina amin’ ny fisiana trangan-javatra toy izao. Matoa misy ny zatovo manao toy izao, ny mpitaiza azy no fototry ny olana satria tsy mahafehy ny fitaizana ka ny fitsarana hatrany no hamaritra izay sazy hampiharina amin’izy ireo.

Sajo

Partager sur: