Raha tsy mahay dia fanina tanteraka amin’ny fomba fivoizana vaovao eto Madagasikara. Samy manao izay mahametimety azy avokoa, indrindra fa ireo misora-tena ho mpanao gazety sy mpisintona lakolosy. Samy milalao ny saim-bahoaka sy toe-pon’ny tsirairay. Tsy hita be ihany izay tokony ho inoana.
Ny tena mpanao gazety heverina ho matihanina, maro ny matahotra sy tsy te hizara izay fantany. Tsy mbola ampy tokoa ny antoka ho fiarovana azy ireny. Tsy sahy manao sorona ny tombontsoa manokany mba ho an’ny besinimaro. Minia mangina, tsy miloa-bava noho ny tahotra. Miverina ho azy ny sivana amin’ny vaovao havoaka.
Manaraka tsy satry ny filazan’ny minisitera mpiahy fa tsy tokony hisy vaovao hivoaka afa-tsy ny ofisialy. Raha ny nianarana tany amin’ny sekoly fampiofanana ho mpanao gazety anefa dia tsy izany velively: “Tsy voatery ho marina ny vaovao ofisialy na ny vaovao omen’ny fanjakana”. Takina hatrany ny fanamarinam-baovao in-telo miantoana.
Raha ny zava-misy amin’izao fotoana izao, ilay asa masina (tsara sy mendrika) no lasa masimasina na masirasira. Very tanteraka ny soatoavina sy ny etika maha mpanao gazety. Mety tsy an-tsitrapo anefa izany, fa mety ho tena iniana natao ihany koa. Miraviravy tanana ny mpanara-baovao. Hany ka manjaka ny tsahotsaho, mahazo vahana ny vaovao tsy marina.
Izay indrindra no tokony hijerena akaiky tokoa ny tontolo iasan’ny mpampita vaovao eto Madagasikara. Mila mijoro sy sahy ny mpanao gazety eto amin’ny tanàna, mba hisorohana ny tahaka izao fifanjevoana izao. Mahatsiravina ny voka-dratsy aterak’ilay fandrebirebena saim-bahoaka amin’ny fiparitahan’ny vaovao diso.
Indrisy anefa! Matahotra ny manampahefana ny mpanao gazety. Misafidy ny mikombom-bava izy rehetra.
r.r




