Mandroso ny asa eny amin’ny Lac Iarivo Ivato. Ho vita mialoha ny handraisana ny fihaonamben’ny Sadc ny Foiben-toerana fampirantiana iraisam-pirenena.
Nijery ny fizotry ny asa fanorenana ilay Centre d’exposition international, ao anatin’ny tetikasa Lac Iarivo, eny Ivato, ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana (SENVH), Andriamanohisoa Gérard, tamin’ity herinandro ity. Nanome toky ny tenany fa ho vita ara-potoana ny asa.
Fotodrafitrasa entina manatsara ny Rocade Ivato sy ny tetikasa Lac Iarivo io Foiben-toerana fampirantiana iraisam-pirenena iarahana amin’ny AFC io. Nampanantenaina fa hoampiasaina ary vita mialoha ny handraisana ny Sadc ny asa. Ny fidinana ifotony no nijerena ny fandrosoan’ny asa. Nahafa-po izany satria araka ny tetiandro napetraka dia tokony ho vita any amin’ny 10 aogositra izany fotodrafitasa izany. Hikatona tanteraka ny trano ary efa hirindra ny ao anatiny.
Nankasitrahina ny sehatra tsy miankina, ireo mpandraharaha nanaiky hiara-hiasa amin’ny fanjakana nanatanteraka ny asa. Na ny mpanorina na ny AFC na ny orinasa niasa dia Malagasy avokoa. Manome asa ny tanora sy mampiroborobo ny fahaiza-manao malagasy izany fifarimbonana izany.
Niteraka asa be dia be ho an’ny tanora ny famoronana ny tetikasa Lac Iarivo. Mihodina izany avy eo satria sehatra maro no hisy ao anatin’izany toerana izany. Ankoatra ny toerana fampirantiana dia hisy koa ny toeram-pivarotana mihaja, birao… hamorona asa ho an’ny tanora. Izany rahateo ny lalantsaina izay nentin’ny Filoham-pirenena amin’ny asa goavana toy izao. Fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina. Ny fanjakana manome fahatokisana amin’ny fampiasam-bola mba hahafahana mamorona asa sy mampandroso.
Tatiana A




