Faritra Anosy: Nanolotra fiara ny tetikasa Mionjo

Ho fampandrosoana ny asan’ny faritra Anosy izay tantanin’ny governora Rakotovelomanantsoa Voahary, nanolotra fiara tsy mataho-dalana iray ny tetikasa Mionjo.
Hentitra ny governora nilaza fa hampiasain’ny mpiara-miasa amin’ny fanatanterahana ny asa fampandrosoana eny ifotony ny fiara. Ireo talem-paritra tsy manana fiara ihany koa dia afaka mampiasa izany ho amin’ny fanatanterahana ny asa. Tena filana fototry ny faritra ny fiara satria hanampy betsaka amin’ny fandrindrana ny tetikasa rehetra sy ny asa fampandrosoana ara-tsosialy sy toekarena.
Nilaza ny mpandrindra ity tetikasa ity, Randrianambinina Céléstin Emmanuel, fa manao ny ezaka fampandrosoana amin’ireo kaominina 69 amin’ny alalan’ny tantsoroka samihafa ny faritra. Fiara afaka miasa avy hatrany ary voakojakoja no natolotra ny faritra Anosy.
“Porofon’ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy izao fifanohanana izao”, hoy ny governora. Rehefa mipetraka ny fanjakana tsara tantana dia mipetraka ny fitokisan’ny malala-tanana sy ireo mpiara-miombon’antoka ka manamarika izany indrindra izao fanohanana izao.

Tatiana A

Partager sur: