RN-6 : manomboka ny fanarenana

Hanomboka ny fanarenana ny lalam-pirenena fahaenina RN 6, manomboka eo Ambondromamy hatreo Am­banja, mirefy 459 km. Mama­tsy vola ny asa ny Banky Iraisam-pirenena, ao anatin’ny Tetikasa fampandrosoana maharitra ny lalana (PDDR) sy ny Asa vonjitaitra sy maika (CERC). Nijery ny fanombohan’ny asa ny minisitry ny Asa vaventy, Hatrefindrazana Jerry, ny faran’ny herinandro lasa teo, ka efa any an-toerana daholo ireo milina vaventy hanatanterahana ny asa.
Ireo tena potika no harenina hatao godirao, indrindra ny eo anelanelan’Antsohihy ha­trany Ambanja, fa maro koa ny ratsy amin’iny RN 6 iny. Manatanteraka ny asa ny orinasa ISO Construction, izay haharitra 10 volana. Nomari­hin’ny minisitra Hatrefin­drazana Jerry ny fanajana ny voarikitry ny fifanarahana sy ny bokin’andraikitra, hanaraka ny kalitao sy ny fenitry ny fanamboaran-dalana.
Ankoatra izany, efa niverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana any amin’ny faritra Sava taorian’ny fandalo­van’ny rivodoza Cheneso, any amin’ny lalam-pirenena RNT 3b, mampitohy an’i Andapa sy Sambava (PK 91 hatrany amin’ny PK 97). Efa misy koa ny fandaharam-potoan’ny minisiteran’ny Asa vaventy amin’ireo lalam-pirenena RN 2, 4, 7 sy ny hafa.

Njaka A.

Partager sur: